TSELATRA

Tokantrano iray no may kilan’ny afo tany Ambolomailaka, Toliara II omaly hariva. Nifanampy sy nifarimbona namono ny afo ny fokonolona tany an-toerana. Potika tanteraka nandritra izany, ny entana sy ny vola rehetra tavela tao an-trano. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy nandritra ny loza.
Fiara 4*4 iray indray nianjeran’ny kaontenera teny amin’ny Pk224+350 tany Vatomandry, afakomaly. Efa niezaka niala ilay kaontenera nianjera ny mpamily saingy mbola voatsindry ihany. Vokany, lehilahy iray tao anaty fiara no tapaka vokatry ny tsindry nahazo azy. Efa manaraka fitsaboana kosa ny tenany amin’izao.
Vehivavy roa voasambotry ny polisy noho ny sinto-mahery tetsy Ambohidahy Ankadindramamy, ny 12 avrily 2026 lasa teo. Mody mifangaro amin’ny mpiantsena ary misisika eny amin’ny ireo be olona ny vehivavy miisa telo tamin’io fotoana io. Manao ny asa ratsiny izy ireo rehefa variana ireo mpiantsena. Tonga nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ny lasibatra ka nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto.
Lehilahy iray 26 taona, mpanamboatra sy mpivarotra basy vita gasy voasambotry ny polisy tany Antranoroa, faritra Bongolava, ny 12 marsa lasa teo. Vaovao avy amin’ny olon-tsotra no nahafahana nisambotra ity olon-dratsy ity. Mpanefy vy no asany ary navadiny tamin’ny famoronana fitaovam-piadiana handatsahana aina izany. Mbola nahitana toerana fambolena rongony ihany koa tao aminy.

Partager sur: