Depiote Ralambozafy Raoto: “Aoka ho tena tomponandraikitra isika tanora ”

Manoloana ny hetsika isan-karazany ataon’ny Gen Z sasany, nivoaka amin’ny fa­hangi­na­ny ny solombavambahoaka voa­fidy tao Isandra, Ralambozafy Raoto. Namba­rany tamin’ny resaka nifanaovana taminy, omaly fa : “va­hao­lana maharitra no ilaina, tsy vahaolana velively ny ko­rontana”.
Nohamafisiny fa efa mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanavaozana, tarihin’ny mpitondra ankehitriny ny Anteni­mi­erampirenena. Anisan’izany ny tolona sy ny fanavaozana politika tamin’ny alalan’ireo hetsika sy maro samihafa, mahakasika ny solombavambahoaka sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana.
Nambarany fa tsy matahotra ny fandravana ny andrimpanjakana misy azy ny depiote, saingy tokony hanaraka ny lalàna velona ny fanaovana izany. Toraka izay ny fanatanterahana fifidianana aingana, madio sy mangaraharaha mba ho fitandrovana ny fahatokisan’ny vahoaka.
Mahakasika manokana ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny, manamafy ny depioten’Isan­dra fa efa manao ny ezaka rehetra ny Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël. «Efa azo tsapain-tanana, iarahan’ny rehetra mahita ny fitadiavany vahaolana ho famaliana ny fitakiana natao », hoy izy. «Aoka ny tombotsoam-pirenena no homen-danja amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena tsy ankanavaka», hoy hatrany ity olom-boafidy ity, raha nanentana ny tanora mba handray ny tena andraikitra andrasan’ny tanindrazana amin’izy ireo. «Aleo mba tena hanome laja sy handray anjara amin’ny fikaonandoha natokana ho anareo, ianareo tanora !», raha ny fanambarana nataony.
Marihina fa tanterahina manomboka anio, aharitra roa andro ny fikaonadoham-pirenena ho an’ny tanora.

r.r

Partager sur: