Lava raha hotantaraina… Kanefa dia mbola tsy afaka ambavan’ny mpankafy rehetra ireo hiran’i Samoela tao anatin’ny «Mampirevy», rakikira voalohany. Manomana fotoan-dehibe hitondrana an-tsehatra ireo hira rehetra nanamarika ny 30 taona i Samoëla, izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly.
«Raha ny rakikira 11 no hakana hira 5 avy dia efa tsy ampy ny ora 4. Fa efa misy rindra nomaninay mba ohatran’ny hoe hatao daholo ireo», hoy ny famintinan’i Samoëla azy. Mikasika ilay seho goavana «Hiaka-dapa», izay hataony 3 mey izao, eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina io. «Efa niara-niasa tao Antsahamanitra ary nety izany, ka nitsiry teo ny hevitra hoe aleo miaka-dapa miaraka. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 1997 ny fotoana tokana nanaovan’i Samoëla seho tao, dia amin’ity indray», hoy ny nambaran’i Sylvano Ratsimandresy, avy ao amin’ ny SR Pro, izay mpikarakara.
«Manan-javatra haseho avokoa ny ekipa rehetra amin’ io. Ny fifankazarana eo amin’ny tarika iny efa mandeha ho azy satria tsy latsaky ny 100 isan-taona ny fampisehoana iarahanay. Fa fanomanana zavatra miavaka sisa no hataonay ka hitoka-monina kely mihitsy amin’io herinandro io», hoy i Samoëla. Nohamafisiny fa revy Samoëla ranoiray io, na misy sady maro aza ireo mpanakanto efa niara-nifampizara kanto taminy izay hasainy. Notsindrian’ i Samoëla fa anisan’ny nampaharitra ny tarika ny tsikombakomban’ny mpinamana. I Roger sy i Tiana Rainitelo izao efa hatramin’ny taona 1995 nanombohany niaka-tsehatra no efa teo.
Zo ny Aina




