Ny hetsiky ny tanora no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Tsy vitan’izay, mitana anjara toerana amin’ny fanavaozana izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, nanomboka ny fikaonandohan’ny tanora.
“Mitana anjara toerana manokana ao anatin’ny rafi-panavaozana ianareo tanora, ary manana ny lanjany amin’ny fitarihan-dalana ny hoavin’i Madagasikara sy ny hoavinareo rahatrizay”. Io ny kabary fanokafan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Tanora 600 mahery avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy ny sehatra samihafa no nandray anjara. Tanjona ny fametrahana fanekena vaovao hifampifehezana sy hifampitondrana ary enti-manitsy ny lesoka rehetra mampitarazoka ny fandrosoan’ny firenena. Mendrika hoavy tsara lavitra no ho izao misy izao ny Malagasy. Mitaky dingana sy fomba fiasa ary fijery vaovao izay. Fitaovana mahomby hanatrarana an’izany ny tanora noho ny tanjaka sy ny angovo ary ny fomba fijerin’izy ireo.
Tokony hitodika amin’ny fanomezan-kasina ny firaisankinam-pirenena ny dinika. Mihaino ny tanora ny fitondram-panjakana, ary misokatra amin’ izay mety ho vahaolana hiaraha-mijery ho fanavaozana an’i Madagasikara. Eo koa ny vahaolana mivaingana mamaha ny olan’ny tanora rehetra na aiza na aiza. Manam-pahendrena izy ireo. Koa aoka izay hevitra maharesy lahatra no haroso sy tohanana. Tsy hanaiky atao fitaovana hikatsahan’ny sasany tombontsoa manokana. Na fitaovana entina manakorontana firenena. Tsy tokony hahiana fa tsy antso an-tany efitra ireo taraina sy ireo hevitra haroso amin’ny fikaonandoha. Hahararaoty izao fa fototra lehibe ary lalan-tokana mahomby hahazoana miara-manorina indray an’i Madagasikara. Tsy omena tsiny raha miteny hoe tsy araka ny nifanarahana na kivy. Misy dingana ny fanavaozana iaraha-manao. Ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no hanovana izay tiana hovaina.
R. Nd.




