Andrarezina ! 45 taona an-tsehatra nizaran’ny Olombelo Ricky ny fahaiza-manaony amin’ny tontolon’ny hira sy ny kolontsaina. Hiaina sy hizara izany amin’ny mpankafy azy izy, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny alahady 19 avrily ho avy izao. Hikaloany ireo hira marobe, nandalo sokajin-taona nifandimby nandritra izay 45 taona izay. Toy ny «Ikalangita», ny «Ody Aina», ohatra. Miisa 12 ny rakikiran’i Olombelo Ricky, ary 3 tamin’ny Vazimba Vocal, tarika samy tantaniny. Haharitra adiny efatra ny fotoana, farafahakeliny. Ho vahiny manokana ny tarika Mahaleo sy ny Taranany sy i Benny. Hisy hira iraisan’izy ireo amin’izany.
Notsindriany manokana, omaly, fa tsy mionona amin’ny hira fotsiny, fa hifampizarana amin’ny mpankafy ihany koa ireo karazana vanim-potoana samihafa. Ireo « olombelona » nilona tanatin’ny kanto sy ny kolontsaina nanana ny lanjany, niara-niaina, niara-nanonja taminy, toa an-dry Tôta, Xhi sy Mah, Tsilavina Ralaindimby, Razilinah, ny mpanoratra Tsirimbato, …. « Natsanganay ny Tahala Rarihasina, hanomezana hasina ny kolontsaina malagasy. Izahay no anisan’ny voalohany nanandratra ny Taombaovao Malagasy sy ny Asaramanitra,… », hoy izy.
Nilaza ny tomponandraikitry ny Airtel fa manohana hatrany ny hetsika kolontsaina miavaka toy izao ny orinasa. Mikarakara ny seho ny Lax Production.
Njaka A.




