Hatramin’izao, misy hatrany ny manao ady sisika sitrany ahay hahazoana toerana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Tetezamita, hono, ka hararaotina? Izay tsinona mba mety hahazoana seza; eny, na akalana ahay aza. Tsy inona fa tsy fahasahiana na tsy fahavononana hiatrika fifidianana. Nefa hoe antoko politika… Tsy mahalala sy tsy mahavita ny andraikiny? Saika fitadiavana sy izay hahazoana fahefam-panjakana ihany no be sy masaka ao an-doha. Tsy misy izay fanovana sy fanavaozana amin’ny fomba fanaovana politika amin’izany. Inona no antenaina amin’ny toy izany?
Anjaran’ny vahoaka ny mitsara amin’ny fifidianana. Fifidianana ihany no hakana sy hahazoana fahefana. Iza marina ny antoko na mpanao politika manana foto-kevitra na ideolojia politika mazava, vinam-piarahamonina hahatongavana amin’izany, fandaharanasa hanatrarana azy, fomba fiasa maharesy lahatra… Amin’izao fanomanana ny fikaonandoham-pirenena ho amin’ny fanovana sy fanavaozana izao, efa azo tarafina ny amin’izany rehetra izany: izay foto-kevitra mazava amin’ny fanorenana ifotony Repoblika: tsy hanaovana kajikajy amin’izay mahamety ny tena, fa izay tena hampandroso ny firenena sy mahasoa ny vahoaka. Iza no manao inona?
Mila mahalala sy maharaka izany dieny izao ny vahoaka. Hatrany ifotony… Misy ny mpialokaloka fotsiny amin’ny fitondrana misy sy izay atao. Tsy inona fa mba hahazoana ny fom-bahoaka amin’ny fifidianana ho avy. Ao ny mitompo teny fantatra fa izy ihany no mahalala ny marina, mahay izay tokony hatao, mahavita izay hampandrosoana ny firenena sy hahatsara ny fiainam-bahoaka… Dieny izao, mila mamantatra sy mandinika ny mpanao politika ny vahoaka. Tsy hamita-tena amin’izay atao. Fanovana sy fanavaozana andrasana amin’ny vahoaka koa izay?
R. Nd.




