Mila fitandremana

Mahoraka indray ny fanovana governemanta. Samy manao izay ho afany indray aloha ny mpanao ady sisika toerana. Manao ny fomba rehetra ahitana taratra ny maha izy azy avokoa ny mpanao politika. Nanome vahana azy ireo rahateo ny fanokafana varavarana nataon’ny filohan’ny Fanavaozana. Samy manao izay fomba ahafahany miditra an-tsehatra ny rehetra. Efa tsy misy forongony izany intsony fa miara-mamindra ho an’i Madagasikara.
Mahavariana fa mbola misy ny manao lalan-dririnina. Manomboka ny fanangona-tsonia etsy sy eroa. Inona no fanavaozana amin’izany? Iza amin’ireo olona be dia be manome sonia sy milaza ho mpanohana no homena toerana sy valim-babena. Mety hanahirana ny filaharana eny amin’ny biraon’ny minisitera rahatrizay mahazo seza. Tsy mahagaga ilay vahoaka be mitandahatra maka fotoana amin’ny minisitra.
Olona hiasa, sy afaka ny hiantoka ny ho fitohizan’ny raharaham-panjakana anefa no hilaina. Ankoatra ny kajikajy politika amin’ny tsy ahatapaka ny fanavaozana tian-kajoro. Tsy tokony hoe namanamana fotsiny, na mpiara-miombonantoka amin’ny raharaha manga isan-karazany no homen-tseza. Olona afaka ny hiantoka 100% ny fahafahan’ny mpitondra hanapitra hatramin’ny farany ireo tetikasa, natomboka.
Midika izany, fa tokony hametraka antoko matanjaka aloha ny mpitondra, hamondronany ireo olona mitovy hevitra aminy. Ireny avy eo no ifantenana, fa tsy izay mivadibadika palitao isaky ny mahatsiaro ity. Loza mitatao eo an-tampondohan’ny mpitondra rahateo ity fahatokitokisana an-jambany ity. Ekena ny fampihavanana sy ny fampivondronana ny hery, saingy mila masontsivana ihany ireny indraindray.
Iaraha-mahalala fa maro no efa galifantsy sy tsy atoro voanjo hadiana. Raha vao mihenahena dia misy tafiditra an-dapa tsy ampoizina. Mila mitandrina amin’izay hiara-miasa aminy ny fitondrana.

r.r

Partager sur: