Voatendry ho PDS Antananarivo Renivohitra, ny depiote Tim, Ralambomanana Fenoherintsoa, araka ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, omaly. Manampy azy amin’izany eo amin’ny toeran’ny filoha lefitra voalohany, Ralaiarison Nirina Thierry raha filoha lefitra faharoa, Ranaivoson Ny Hery Mananjara.
Nahagaga ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny tsy nanatrehan’ny FFKM ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora, teny Ivato. Nambarany fa anisan’ny nahazo fahefana hitarika izany izy ireo. Nanteriny koa fa iray ihany ny tanora Tim niatrika izao fihaonana izao. Anisan’ny tazana teny an-toerana ireo lehiben’ny antoko politika…
Nampita hafatra amin’ireo tanora ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, teny Ivato, afakomaly. Nambarany fa hiaino ny hatanoranareo, manaova dinga-dava. Aza mitsambiki-mikipy. « Ampiasao araka ny tokony ho izy ny teknolojia. Arovy ny natsangana. Aza omena vahana ireo nanimba ny firenena », hoy izy.
Niroso tamin’ny fanambaram-pananana ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nanatanteraka izany izy ireo, afakomaly, teny amin’ny biraon’ny Bianco, Ambohibao. Mbola hanao tahaka izany koa ireo mpiasan’ny minisitera hafa. Voadidin’ny lalàna izany mba hisian’ny mangarahara.




