Nanao fanambarana ireo fiarahamonim-pirenena maherin’ny 100, omaly, manoloana ny raharam-pirenena. Notakian’izy ireo ny hanajana tanteraka ny zo fototra ataon’ny manampahefana sivily sy miaramila amin’ny fitantanana ny toe-draharaha manahirana ankehitriny eto amin’ny firenena. « Takianay ny hametrahana sehatra fifampiresahana, ahafahan’ireo mpisehatra rehetra, indrindra ny fikambanan’ny tanora, haneho amim-pilaminana ny heviny », hoy ireto fiarahamonim-pirenena ireto. Natao izany mba handrosoan’izy ireo ny soso-keviny sy ny fijeriny, ao anatin’ny fanajana ny firaisankina sy ny tsy fampiasana herisetra ary ao anatin’ny firaisam-pirenena.
Nanterin’izy ireo fa fotoana izao hilan’ny tanora tari-dalana. Mba ho ohatra fakan-tahaka ary sehatra fanehoan-kevitra ho amin’ny tombotsoa iombonana, ho fiantohana ny fahafahany mandray anjara feno amin’ny fiainam-pirenena, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. Naneho ny ahiahiny koa anefa ireto fiarahamonim-pirenena maromaro ireto manoloana ireo toe-javamisy. « Manana adidy izahay hampahatsiahy fa zo tsy azo lavina ny fahalalahana miteny sy ny fahalalahana maneho hevitra an-dalambe, ho fiantohana ny fahafahan’ny olom-pirenena tsirairay hiteny an-kalalahana », hoy ihany izy ireo. Iorenan’ny demokrasia rehetra mifototra amin’ny etika, ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra, ny rariny ary ny firaisam-pirenena ireo, fotokevitra ireo, araka ny fanambarana hatrany.
Notsiahivin’izy ireo fa mihamaro indray ny fampiasana ny fiampangana hoe “fanohintohinana ny filaminam-bahoaka”. Fampiasan’ny fitondrana teo aloha, nesorina teo amin’ny toerany izany fomba mamohehatra izany ka tsy tokony ho lasa fitaovana fampiasa amin’izao fotoanan’ny fanavaozana izao.
Synèse R




