« Ligue des champions » : Tsy mbola afa-bela tamin’ny PSG ny Liverpool

Ekipa roa voalohany, tafita amin’ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, ny Paris ST Germain (PSG) sy ny Atletico de Madrid. Tontosa ny talata alina lasa teo, ny ampahefa-dalana miverina. Anisan’ny lalao be mpiandry ny fifandonan’ny PSG sy ny Liverpool, tamin’ity. Tsy mbola afa-bela tamin’ny parizianina ny anglisy na nilalao tao an-kianjany tao Anfield, aza. Mbola lavon’ny PSG, tamin’ny isa 2 no ho 0 indray. Baolina tafiditr’i Ousmane Dembelé teo amin’ny minitra faha-72 sy tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 1 mn. Nanao izay ho afany ny Anglisy saingy tsy nijoro fotsiny ny Frantsay fa nanohitra hatramin’ny farany, nahitana an’i Pacho sy Mariquinhos ary i Hakimi nampian’i Nuno Mendes, teo amin’ny fiarovan-tena. Tao amin’ny androny ihany koa i Safonov, mpiandry tsatoby parizianina.
Tsy ampy niakaran’ny FC Barcelone kosa ny fandresena 2 no ho 1 azony, nanoloana ny Atletico de Madrid. Fihao­nana natao tao Riyadh Air Metropolitano, Madrid. Nita­rika tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Barça, tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Yamal (4 mn) sy ny an’i Ferran Torres (24 mn). Nampihena ny isa ny Atletico, teo amin’ny minitra faha-31. Baolina matin’i Lookman, izay nahatafita azy ireo. Nilalao 10 ny Barça taorian’ny karatra mena azon’i Eric Garcia.

Tompondaka

Partager sur: