Orange Madagascar : Manohana ny fampivoarana niomerika

Manamafy ny fampiroboroboana ny niomerika ao Toa­masina ny Orange Madagas­car. Napetraka ao amin’ny tranombokin’ny Oniversiten’i Barikadimy, nanomboka ny 25 marsa teo, ny “Spot Orange” izay mahazaka fifandraisana hatramin’ny 1 000 amina velarana 100 m. Tanjona ny hanohana ny tanora sy hisitrahany mivantana ny tombontsoan’ny niomerika. “Miavaka ireo hotspot wi-fi ireo noho izy miantoka fifandraisana tsara kalitao mifanaraka amin’ny filan’ny mpianatra”, raha ny fanaza­vana voaray. Efa maherin’ny
1 500 ireo nisitraka izany ary maherin’ny 200 isan’andro ny mpampiasa azy. Tanjon’ny Orange Madagascar ny hanohana ny fampianarana am­bony sy hitondra fanavaozana ho an’ny fahombiazan’ny mpi­anatra. Hapetraka tsy ho ela ao amin’ny tranombokin’ny Oniversite ihany koa ny Orange Digital Center, hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fidi­rana amin’ny niomerika.
Ankilany, nametraka “hubs numériques” miisa efatra mandeha amin’ny angovo azo havaozina, avy amin’ny herin’ ny masoandro ihany koa ny Oniversiten’i Toamasina. Teti­kasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ ny Fonds DECIM ary iaraha-miasa amin’ny Mesupres, MEH, M’balik sy Yas. Mana­tan­te­raka izany ny minisite­ran’ny Fampi­roboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT). Ahitana solosaina miisa 25 efa misy fifandraisana inter­neto avy ireo “hubs”, “wifi” mai­maimpo­ana ho an’ny mpianatra raha solosaina miisa 250 napari­taka ho an’ireo “hubs” rehetra. Kendrena manokana ny hanamafy ny fanabeazana niome­rika, hanamora ny fisitrahan’ ny tanora, indrindra ny tovovavy ireo fitaovana niomerika. An­koatra izay, nizara finday miisa 3 315 ho an’ny mpianatra sy mpampianatra ary kits scolaires miisa 3 315 ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.

Henintsoa

Partager sur: