SOMBIM-BAOVAO

Mbola noporofoin-dRakotojoary Juan, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM nitondra ny fiara Clio Motul, ny maha andrarezina azy nandritra ny dingana voalohany, amin’ny “course de côte”. Fifa­nina­nana, notanterahina ny alahady lasa teo, teny Volom­borona. Faharoa, Rabekoto Frederic ary fahatelo Rakotonoel Kenny, izay samy avy amin’ny Asacm.

Mikarakara fiofanana ho an’ny mpitsara federaly, ny eo anivon’ny Federasionina malagasy ny Jeu d’échecs, ny 18 sy 19 avrily izao. Any Arivonimamo no hanatanterahana izany ka miara-miasa amin’ny federasionina ny ligin’Itasy, Taranja Jeu d’échecs.

Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, basikety, ho an’ny faritra afovoany, izay tanterahina any Antsirabe. Lalao anisan’ny niady, omaly, ny fihaonana teo amin’ny Fandrasa Matsiatra Ambony sy ny SBC Vakinan­karatra. Isa 68 no ho 65 no nahazoan’ny Fandrasa ny fandresena.

Partager sur: