Raha hay sy fantatra tsara ny soa azo avy amin’ny famakiana boky, handroso ny firenena iray sy ny mponina ao aminy. Iray amin’ireo hitondra ny tontolon’ny boky ho filan’ny Malagasy, ny « Tsenaben’ny boky ».
Hotanterahina eo amin’ ny tokotanin’ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy ny fankalazana ny « Andro maneran-tany ho an’ ny boky sy ny zon’ny mpanoratra ». Ao anatin’ny telo andro, ny 23 sy 24 ary 25 avrily izao. Hisy ny varotra fampirantiana boky. Seho sy hetsika ary fifaninanana samihafa. Tafatafa iarahana amin’ireo mpisehatry ny boky.
Ankoatra ny fampivelarana ny tontolon’ny boky amin’ny hetsika tahaka izao. Anisan’ny zava-dehibe sy manan-danja ho an’ny tanora indrindra fa ny mpianatra sy ny mpikaroka ary ny mpandalina isan-tsehatra sy sokajy ny « Tsenaben’ ny boky », raha ny fanazavan’ireo mpandray anjara. Ho tazana eny an-toerana, rahateo, ny mpanoratra sy ny fikambanana ary izay rehetra tafiditra ao anatin’ny rohim-boky sy ny asa fanoratana (editora, mpanonta boky, mpivaro-boky, mpanjifa ny boky…). Manana ampaham-potoana lehibe izy ireo ahafahana miresaka mivantana amin’ny mpitsidika.
… Mbola olana lehibe ho an’ny rohim-boky, ankehitriny, ny tsy fahafantaran’ny mpanoratra maro ny tena andraikitr’ ireo rantsa-mangaika mampiaina ny rohim-boky. Tsy vitsy, ohatra, ireo mpanoratra tsy mazoto loatra ny manatona sy midinika amin’ny editora rehefa hamoaka boky. Ny fahalalana ananan’ny mpanoratra maro raha hampandalovina editora ny fanontana boky :
« Mitombo be ny vidin’ny boky… Na, kely loatra ny vola azonay. Lavitra loatra ny lalan-kaleha… ». Ny tsy fahampian’ny fifankahalalana eo amin’ny asa sy andraikitr’ireo samy mpisehatra eo amin’ny rohim-boky no miteraka ny fiheverana tahaka ireo. Noho izany, sehatra mbola mila fifampitaizana lehibe ny tontolon’ny boky raha ny eto Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto




