Tarika Hasina : 30 taona nizarana hira mampihetsi-po

Sonian’ny tarika Hasina ny hira mandona fo. Nankafizan’ny maro ny sanganasan’izy ireo izany, nandritra ny 30 taona. Tsy handalo fotsiny fa homarihina ny fankalazana, raha ny nambaran’ny tarika, omaly. Hatom­boka amin’ny fampisehoana izay hotontosaina etsy amin’ ny Havoria Anosy io, ny ala­hady 19 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
« Fanokafana ny fankalazana io, hamerenanay an-tsehatra ireo hira rehetra nanamarika izay 30 taona izay. Hitohy ny fitsidiham-paritra aorian’izay », hoy ny nambaran’i José.
Efa talohan’ny taona 1996 no nanomboka ny tantaran’ny tarika Hasina. I Mahefa sy i Dah Kely no tao, ary ito farany no niantso an’i José. Lasa mpamokatra fampisehoana i Dah Kely taty aoriana, ary anisan’ny hikarakara ny fankalazana. Nihaona tamin’i Odeam i Mahefa sy José tamin’ny fankalazana ny faha-5 taona, ary tamin’i Sitraka kosa ny faha-10 taona. Efa nisy koa ireo namana nandalo tao amin’ny tarika, izay efa nodimandry toa an’i Faustin.
Samy mamoron-kira izy efa-dahy mandrafitra ny tarika Hasina ankehitriny. Tsy misy mivaona amin’ilay hira feno fihetseham-po, mifono hafatra, na lohahevitra tsotra izany na ara-pilazantsara. Ny country, folk, gasigasy no tena hi­ronan’ny tarika Hasina, nametrahany ny anarany tao anatin’ izay 30 taona izay.

Zo ny Aina

Partager sur: