Tenisy – Open Capfinances : Hiatrika lalao ho an’olon-droa i Sarah

Araka ny vaovao, navoakan’ny federasionina frantsay ny taranja tenisy, omaly, fantatra fa anisan’ireo mifaninana amin’ny «Open Capfinances», tanterahina ao Rouen France, Rakotomanga Sarah Tiantsoa, ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay. Fifaninanana, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ary hifarana ny alahady 19 avrily izao.
Raha ny fandaharam-potoana, hiatrika ny dingana ampahefa-dalana ho an’olon-droa miaraka izy rahampitso. Hiaraka amin’ilay frantsay, i Elsa Jaquemot izy amin’izany. Hifa­nandrina amin’ilay Rosianina, i Irina Khromacheva sy ilay meksikianina Giuliana Olmos izy ireo amin’izany.
Tsiahivina fa efa resy teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana i Sarah Tiantsoa, ny talata lasa teo, raha nifandona tamin’ilay teratany romana, i Jaqueline Christian, nandritra ny dingana 1/16-dalana. Niondrika tamin’ny seta 2 no ho 1 ( 6/2 ; 7/6 , 7/5) i Sarah nandritra ny dingana 1/-16-dalana. Niady ny fihaonana satria lasan’i Sarah ny seta voalohany ary tsy nahazo afa-tsy lalao roa monja ilay romana.

Tompondaka

Partager sur: