Antoko mpihira : 30 taona ny “Voix de Sainte Therese” Ivato

Hosokafana ny alahady izao ao amin’ny Ekar Mb Te­re­zin’i Jesoa Zazakely, Ivato ny faha-30 taonan’ny antoko mpihira «Voix de Sainte The­rese – VST». Homarihina amin’ny alalan’ny eokaristia Masi­na izany sady itondrana am-bavaka ny fikambanana amin’izao. Hitohy amin’ny antsam-panahy iarahana amin’ny «Voix du Car­mel» Itaosy izany ny tolakandro, ao amin’ny fi­angonana ka­tolika Mb Tere­zin’i Jesoa Zaza­kely ihany. Mbola hisy ny hetsika sa­mihafa amin’ity taona 2026 ity..
Tsiahivina fa nitsangana ny avrily 1997 ny VST. Mam­pi­ava­ka azy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanankanto sy ny fivoahana any amin’ny faritra. Iray amin’ireny ny antsam-panahy voalohany ny taona 1997, niarahana tamin’i Bessa tao amin’ ny Ekar Ivato. Ny ni­voahana indroa miantoana tany Maha­janga ny aogositra 2016 sy ny oktobra 2021. Na­naovana antsam-panahy niarahana amin’
ny APKM tao amin’ny katedraly Mahajanga. Ny nanaovana seho tao amin’ny Ekar Ambohi­mena Antsira­be ny taona 2017. «Efa fanaonay isan-taona koa ny manao antsam-panahy, amin’ny fankalazana ny fetin’i Mb Terezy, mpiaro ny fikambanana. Ha­na­sana ireo antoko mpihira manodidina avy amin’ny FJKM sy ny FLM na koa avy any ivelany izany», hoy ny mpikambana, i Nicole.
Nanteriny fa maherin’ny 30 eo ho eo ireo mpikambana ary maro ireo efa nandalo tao. Ao koa anefa ireo mpanorina mbola miaraka amin’ireo zandry aty aoriana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: