Depiote Ramilison Nomenjanahary: “Manimba firenena ny fandravana andrimpanjakana”

“Nisy teto ny krizy tamin’ny 2009, ny antoko politika rehetra tsy lany teto amin’ny firenena no niditra CST sy CT tamin’izany. Efa tsy nety ireny natao ireny. Mbola haverina aty amin’ny 2026 indray ve” ? Io ny fanehoan-kevitry ny de­piote voafidy tany Faratsiho, Faritra Vakiankaratra, tamin’ny anaran’ny Firaisankina, Ramilison Andriamampionona Nomenjanahary, manoloana ny fitakiana fandravana andrimpanjakana amin’izao. Tian’ny mpanao politika ny handravana ireo andrimpanjakana, ary misy mpanao politika mampirisika an’ireo tanora amin’izany. Misy manome vola any ambadika any. Satria mitady toe-javatra azo hararaotina ry zareo: efa lasa ny dimy volana tsy mbola nahazo toerana ihany…
Aleo mijanona ao anatin’ny roa taona nolazain’ny filohan’ny Fanavaozana amin’izao fitondrana izao. Tsy maintsy hiafara amin’ny lalàmpanorenana vaovao sy fifidianana… Misy olona te hoe hiditra ao anatin’ny fitondrana amin’izao, kotrokotronina ho rava dia mba mahazo seza. Tsy ekena izany, fa manimba firenena. Efa tsy nety ny teo aloha.
Tsy lavina, misy olona hoe firongony tena tokony hoesorina. Tokony hojerena izay…
Mbola firenena marefo isika, miankin-doha amin’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirim-bola, iraisam-pirenena. Miala ao anatin’ny lalàmpanorenana i Madagasi­kara raha mandrava andrimpanjakana. Tapaka eo ny fa­ma­tsiam-bola. Lasa krizy iray hafa izay. Mbola fanampiana tetibola avy amin’ireo mpamatsy vola, ohatra, ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Mana­ra­ka, eo ny krizy amin’ny toekarena mihamafy be amin’ny raharahan-tsolika. Raha tsy misy vahaolana mipetrapetraka amin’izay, ho sahirana eto isika. Krizy vaovao hafa koa izay.

R. Nd.

Partager sur: