Natolotra, omaly, 16 avrily, ny fitaovana maro, ilaina amin’ny fitaizana manokana ny alika mpitsirika, miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina. Ny sampana « Brigade canine » an’ny fadintseranana malagasy no misitraka azy ireo, fampitaovana avy amin’ny Masoivoho Japoney, amin’ ny alalan’ny Rafitry ny firenena Mikambana misahana ny fifindra-monina (OIM). Fitaovana ahitana karazany maherin’ny 20, hitaizana ny alika hahay hitsirika fofona, kojakojam-pitsaboana samihafa, fitaovana fanaovana fanazaran-tena, sns.
Miisa 12 ny alika azon’ny Ladoany Malagasy, miasa eny Ivato sy Nosy Be. Eo am- panofanana ny any Toamasina, ary tohizana any Mahajanga. Nilaza ny tale jeneralin’ny Ladoany, Randrianjafy Antoine, fa hisy ny hanokafana foibe fitaizana sy fampitomboana taranaka any Toamasina. Tanjona, ny hamoahana alika mpitsirika 50 isan-taona.
Nambaran’ny lehiben’ny iraky ny OIM eto Madagasikara, Roger Charles Evina, fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa fametrahana ny Rafitra mikirakira ny antontam-baovao sy ny fanadihadiana mahakasika ny fifindra-monina (MIDAS) ity natao ity. Nanamafy izany ny masoivoho japoney, Hitoshi Tojima, tohizan’i Japana hatrany ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara, hanamafisana ny fiarovana ny sisin-tany, hiantohana ny fivezivezena.
Firenena efatra (Madagasikara, Côte d’Ivoire, Rwanda, Etiopia) no misitraka ny MIDAS, mitentina 3 tapitrisa dolara, ka 200 000 dolara ho an’i Madagasikara. Tena hifantohana ny fanatsarana ny fametrahana ny rafitra niomerika, ny fampiofanana ny mpiasa ary izao fampitaovana ny fitaizana ny alika mpitsirika eny amin’ny seranam-piaramanidina.
Njaka A.




