Tsy mbola resy lahatra amin’ny fianarana zavakanto ny Malagasy. Matetika, mijanona hatreo amin’ny fananana talenta ny Malagasy. « Mahay » no iantsoany ny olona afaka mamorona, mitendry, mandihy, mihira, sns, ka mahadona ny fony. Rehefa mikarantsana ny feom-baliha mihira ny « Mandihiza Rahitsikitsika », midika izay fa « mahay » ilay mpitendry. Mahavariana ny vahiny amin’ny Malagasy io… Saingy, hanaovany tsikery mivaivay ihany koa !




