Misomebiseby i Toliara. Ela no niandrasana ny hetsika «Tsapiky Festivaly », anio sy rahampitso.
Sambany ! Tsy mbola nisy hetsika lehibe toa ity teto Toliara, hoy ny nambaran’ireo tomponandraikitra. Rariny raha goavana, satria natao hanolorana amin’ ny fomba ofisialy ny maha harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona eo anivon’ny Unesco, ny hetsika. Hotontosaina anio sy rahampitso ny ivon’ny hetsika, ao amin’ ny kianja Maître Kira Andaboly. Roa andro tsy ankiato, hanehoana ny tsapiky amin’ny endriny rehetra ny hetsika. Tarika maherin’ny 40 no nantsoina hifandimby an-tsehatra, izay nosafidiana manokana mba tena haneho ny kanto faritan’ny tsapiky. Misy ireo nisava lalana ny tsapiky tany amin’ny taompolo 90, toa an-dry Tirike Ampanihy, Asco Music, Jean Piso, Teta, sns. Eo koa ireo tarika malaza amin’izao, toa an-dry Mahafaly Mihisa, Masy, Said, sns.
«Zava-dehibe loatra ho an’i Toliara, izay nampiakatra ny tsapiky amin’izap toerany izao ny hetsika», hoy ny filazan’i Théo Rakotovao, tale jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny ministeran’ny Kolontsaina sy ny serasera. «Hipetraka anatin’ny tantara ity. Fanomezan-danja ny kolontsaina manerana an’i Madagasikara», hoy kosa i Mandrindrarivont Ogascar, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny hetsika. Hanomboka amin’ny filaharambe mamakivaky ny tanànan’i Toliara ny hetsika, anio maraina. Amin’ny 2 ora tolakandro kosa no hanomboka ny andiam-pampisehoana, izay arahin’ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo mpanakanto nahavita be eto Toliara.
Zo ny Aina




