TSELATRA

Kodiaran-droa notaingenan’olon-droa indray nidona mafy tamin’ny kamiao mpitatitra entana, tetsy amin’ny digue Ambohitrimanjaka, omaly hariva tamin’ny 7 ora tany ho any. Nitsirara tamin’ny tany ireo roa lahy nitaingina ilay moto. Tsy nisy nahatsiaro tena izy ireo noho izany. Efa noentina tany amin’ny hopitaly Manara-penitra izy ireo. Mateti-pitranga loatra ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato.
Mpitrandraka hazo sarobidy antsokosoko miisa enina voasambotra ny alin’ny 14 avrily 2026, lasa teo. Tra-tehaka teo am-pitrandrahana voamboana antsokosoko tao amin’ny valanjavaboahary Analamazaotra izy ireo. Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nametraka vela-pandrika hisamborana ireto farany. Efa notanana atao fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana izy ireo.

Partager sur: