Crédit Bail- BMOI: Fampanofana fitaovana ho an’ny orinasa

Manome tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa ny banky BMOI. Ahafahana manohana ireo mpandraharaha, orinasa madinika sy salantsalany na vaventy tsy ankanavaka. An­tony, maro ny orinasa te ha­na­tsara na hanitatra ny ambaindahin’ny fihariany, saingy tsy ampy ny tetibola eo am-pelantanana. Izay no nahatonga ny BMOI, nametraka ny tolotra
« Crédit Bail ». Nohazavain’ny tompon’andraikitra, Raman­dimbimanana Sitraka, fa tsotra nefa ahazoana tombontsoa maro ity tolotra ity. Misafidy ny fitaovana ilainy ny mpanjifa, vidian’ny BMOI, azon’ny orinasa ampiasaina avy hatrany hanatsarany ny famokarany, ary mandoa hofany isam-bolana aminy banky. Nomarihiny, fa azon’ny mpanjifa atao tsara ny mandoa vola any amin’ny BMOI amin’izay tena vidin’ny fitaovana, ary lasa fananany manontolo avy eo. Afaka misa­fidy ny fitaovana ilainy ny mpan­jifa, arakaraka ny sehatra ilainy avy. Toy ny fiara ampiasaina, ny fitaovana informatika, ara-pitsaboana, fitaovam-pamokarana na milina, sns.
Misy karazany telo ity tolotra ity « Crédit Bail » ity. Nam­baran’ny tompon’andraikitry ny BMOI, fa nandritra ny 3 taona ny namolavolana azy, satria maro ireo pitsopitsony tsy maintsy nalamina, fa tsy mitovy amin’ny findramam-bola mahazatra. Anisan’izany, ny fitsipika samihafa sy ny lafiny ara-ketra. Voavaha daholo izany rehetra izany, niaraha-niasa tamin’ny rafitra ara-bola IFC ao amin’ny Banky iraisam-pirenena.
Ahitana ity tolotra ity daholo any amin’ireo masoivohon’ny BMOI miisa 20, miparitaka manerana ny Nosy.

Njaka A.

 

Partager sur: