“Teren’ny fitiavan-tseza fotsiny hoe ravana ny Antenimierampirenena, dia manangana Antenimierampanorenana, dia misy seza hozaraina. Izay fotsiny no zava-dehibe, fa tsy misy hoe: raha hatao izany, inona ny fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena? Hanao ahoana ny fiainana amin’izao efa fahasahiranana izao” ? Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fitakian’ny antoko na mpanao politika sasany sy ny tanora Gen Z sasany ny fandravana andrimpanjakana toy ny Antenimierampirenena sy ny Ceni ary ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).
Fialana amin’ny ara-dalàna na ny lamina araka ny lalàmpanorenana ny fandravana andrimpanjakana. Araka ny mahazatra sy fahita maneran-tany, rehefa miala amin’ny lamina araka ny lalàmpanorenana, tsy misy firenena mifampiraharaha amin’ny tena mandra-piverina amin’ny lamina araka ny lalàmpanorenana. Indrindra ny mpamatsy vola amin’izany… Ny fanontaniana ho an’ireo manao fangatahana fandravana andrimpanjakana: ho zaka ve ny vokatry ny fandravana andrimpanjakana? Satria izay ny zavatra miandry: miala ny mpamatsy vola… Nefa iaraha-mahalala ny eo an-tanana. Farafahakeliny, ilana vola avy any ivelany ny 70% amin’ny asa lehibe atao eto Madagasikara. Fampidirana ny firenena amin’ny lalan-tery na kizo ny fangatahan’ny tanora sy ny mpanao politika sasany. Ny mampalahelo: mahalala an’izay ny mpanao politika, fa ireo tanora mety tsy mahafantatra.
R. Nd.




