Fandrobana ny volam-panjakana: Mitaky ny tohin’ny fanadihadiana ny KFM/Cnoe

Nankasitraka ny fangaraharahan’ny Fitsarana momba ny kaonty araka ny tatitra ny taona 2025 ny KMF/Cnoe, araka ny nambaran’izy ireo ny herinandro teo. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany fa mitentina 3 811 miliara Ar ny very, tsy tafiditra tao amin’ ny kitapombolam-panjakana. Notsiahivin’ity fiarahamonim-pirenena ity ny fanambaran’ireo rafitra mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika fa hiroso amin’ny fanaovana fanadihadiana lalina sy fanenjehana izany fandikan-dalàna izany.
Nahitsy anefa ny KMF/Cnoe nilaza fa efa faheno sy nodradradradraina teto ny fisokafan’ny fanadihadiana amin’ny raharaha maro tahaka izany. Anisan’izany ny « Bonbon sucette», ny «Ecran plat», ny fanondranana volamena antsokosoko tratra… « Samy tsy misy fanambarana ny fiafarany sy ny vokatry ny fanadihadiana avokoa ireo nanadihady izany. Miandry fatratra ny tohin’io fandrobana ny harem-pirenena, nambaran’ny fitsarana momba ny kaonty io ny vahoaka », hoy izy ireo.
Etsy andaniny, miandrandra fampandraisana andraikitra ny ankolafin-kery rehetra momba ny fakan-kevitra sy ny fikaonan-dohan’ny olom-pirenena ho fanavaozana, ny KMF/Cnoe. Manantena izy ireo fa tsy hisy fanilihina ho amin’ny dingana manaraka. « Antenaina fa mitohy ny ezaka ary miandrandra fampitam-baovao ny rehetra mom­ba dingana vita sy ny miandry », hoy ity fiarahamonim-pirenena ity. Naneho faha­vononana hifanolo-tanana hatrany izy ireo amin’ny sehatry ny fikaonandohan’ny olom-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: