Soa fanararaotra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny « Salon de la créativité Voatra », andiany faha-12. Vonona hanohana ny fandraharahana malagasy hampiasa vola eto amintsika i Maraoka.
Hanampy antsika hitrandraka ny tsena maraokanina sy hanokatra lalam-barotra any an-toerana ny Salon de la Créativité Voatra, andiany faha-12. Hetsika atao mandritra ny roa andro etsy amin’ny Novotel Ivandry. Nilaza ny filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Antananarivo (CCIA), Razafintsalama Gil, omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry, fa “hojerena manokana ny hampivelarana ny fifanakalozana sy ny fampiasam-bola eo amin’ny firenana roa tonta. Singanina manokana ny tohana ho an’ny mpandraharaha madinika sy salantsalany (PME) mandraharaha eo amin’ ireo sehatra stratejika mba hahafahana mampiroborobo ny famokarany sy hipaka mivantana amin’ny toekarem-pirenena. Ankilany, hanohana ireo mpandraharaha ny CCIA hampivoarana ny lalam-barotra, ahafahana mamaly ny tototra sy tinady takin’ny tsena maraokanina. Firenena matanjaka sady manana loharanon-karena mifameno amin’i Madagasikara i Maraoka, nahatonga azy nantsoina ho vahiny nasaina manokana. Efa mivoatra tanteraka ny sehatry ny banky, ny niomerika, ny fahasalamana, ny fizahantany izay azontsika hiaraha-miasa.
Fifanarahana
Navoitran’ny masoivoho Maraokanina, Mohammed Benjilany fa “laharaham-pahamehana ireo soa fananararaotra hampandrosoana ny toekarena sy hampiroborobo ny fifanakalozam-barotra”. “Hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta hampandrosoana ny sehatra tsy miankina”, hoy ny filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Infostria ary ny tolotra (CCIS) any Rabat-Salé-Kénitra, Hassan Sakhi. Sehatra isan’ny mahasarika ireo mpampiasa vola maraokanina ny sehatry ny fambolena mitodika amin’ny tsena, ny angovo, ny fahasalamana sns. Lohahevitry ny hetsika amin’ ity taona ity ny fitrandrahana ny tsena iraisam-pirenena.
Henintsoa




