Fotoan-dehibe, sambany nanandratana endri-kolontsaina mampiavaka ny faritra atsimo ny « Tsapiky Festival ».
Nandihy tsapiky ny iray kianja tao Andaboly, Toliara… Nanomboka tamin’ireo vahoaka nanotrona, ireo manam-pahefana isan’ ambaratongany ka hatrany amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, samy nitsangana nipikelika avokoa. Ny anton’ny « havoria », ny fanolorana ny gadona tsapiky ho harembakoka iraisam-pirenena ho an’ny zanak’olombelona eo anivon’ny Unesco. Tsy izy ireo loatra anefa no tena nasongadina fa ilay famirapiratan’ny mozika mampiavaka an’i Toliara manokana, izay lasa nahafantarana an’i Madagasikara maneran-tany ihany koa, araka ny nomarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tanatin’ny fandraisany fitenenana.
« Toliara farany amin’ny faritany no nahafantaran’ny maro azy, fa androany kosa voalohany noho io tsapiky io. Manana finoana fa mbola handroso ary ho voalohany i Toliara », hoy ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, nialoha’ny nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Tsapiky Festivaly ».
Rariny, araka izany, raha nomem-boninahitra manokana ireo mpanakanto nisava lalana ny tsapiky, nahatonga azy amin’izao toerany izao. Mbola maro ireo Sairy Matoy, na ireo mpanakanto zokiny nitrandraka ity gadona ity, nanomboka tany amin’ny faramparan’ny taompolo 70 tany. Eo ry Jean Piso, Tirike, Jozex, ry zareo mpikambana ao aminy Asco Music, sns. Niara-niredona ny « Izay hombanao », sanganasan’i Régis Gizavo izy ireo, nialohan’ny nanolorana ny mari-boninahitry ny kanto an’ireto Sairy Matoy ireto.
Taorian’ny lanonana ara-panjakana vao tena nianoka ilay tsapiky amin’ny endriny rehetra ary tsy ankiato ireo mpijery nameno kianja.
Zo ny Aina




