Miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha eto amintsika taorian’ireo filaharambe teny amin’ny tobin-tsolika, ny herinandro teo. Nanahy mafy ny famatsiana ireo mpampiasa fiara ka nisy ireo nampiasa ny tahiry teo am-pelatanany nentina nividianana solika. Nisy ihany koa ireo nanararaotra nanao varo-maizina ka nampakatra hatrany amin’ny 12 000Ar ny litatry ny lasantsy.
Milanja 200 taonina (t) ny vary akotry novidian’ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar), ho fanohanana ireo tantsaha ao amin’ny faritra Alaotra. Ny 80 t nalaina tao amin’ireo mpamboly avy ao Ambatomainty raha 120 t kosa nolajaina tao Amparafaravola. Tanjona ny hitondram‐bahaolana manoloana ny fitobaky ny tahiry sy ny vokatra misy amin’izao fotoana.
Tsara ny vokatra ho an’ireo vondron’olona ifotony mipetraka manodidina ny faritra arovana Amoron’i Onilahy, ao amin’ny faritra Atsimo andrefana. An-jatony ireo tokantrano nanitatra ny fidiram-bolany, zava-maniry an’arivony no vokarina isan-taona. Mihatsara ny ala ary miverina tsikelikely ny karazam-biby ao an-toerana. Vokatra azo taorian’ny fanamby napetraka niarahana niasa tao Amoron’i Onilahy ho fiarovana ny natiora sy ny zava-manan’aina nandritra ny 11 taona.




