Tao anatin’ny taona naharitra… Nitazona ny maha izy azy. Namelatra ny kanto ataony. Nanome lanja ireo mpitia ny sanganasany i Olombelo Ricky. Noporofoiny, omaly, avokoa ireo. Nofaranana, omaly, tamin’ny fampisehoana goavana notanterahina teny amin’ny Coliséum Antsonjombe Analamahitsy, ny fankalazana ny faha-45 taona an-tsehatra nataony. Tamin’ny ankapobeny, nirindra araka ny fampanantenana nomen’ity andrarezin’ny hira malagasy ity ny zotran’ny seho teny an-toerana. « …. Tsy mionona amin’ ny hira fotsiny, fa mifampizara amin’ny mpankafy ihany koa ireo karazana vanim-potoana samihafa, ireo olombelona nilona tanatin’ny kanto sy ny kolontsaina nanana ny lanjany, niara-niaina, niara-nanonja taminay, toa an-dry Tôta, Xhi sy Mah, Tsilavina Ralaindimby, Razilinah, sns izahay », hoy i Olombelo Ricky, ny andro vitsy nialoha ny seho. Niaina izany tokoa ny teny amin’ny Coliséum, omaly. Namelon-kasina ny kanto malagasy i Olombelo Ricky.
Tsy nanalavitra izany ihany koa ny tolotra nomen’ireo tarika sy mpanakanto niara-nivazo taminy teny an-tsehatra, omaly. Anisan’izany ny tarika Iraimbilanja, Mahaleo Taranaka, Benny sy Bebe ary Nini Kaolibera, ny tarika Babai Lugu. Fiarahana mitendry sy mihira, nahafahana namerina indray ireo sanganasany tsy afaka am-bavan’ny maro tahaka ny « Ranabaviko masaka », sns izany.
HaRy Razafindrakoto




