FANTINA sy FINTINA

Tsy tanteraka ny hetsika diabe am-pilaminana nokasain’ny Gen Z teny Ambohijatovo sy ny Kianjan’ny 13 mey, ny asabotsy teo. Anton’izany ny fisian’ireo ampahan’olona tonga nijapy ny hetsika, raha ny fanazavana. Na izany aza, nanamafy ny fitakiana sy ny famoahana ireo tanora mbola voatazona any amin’ny mpitandro ny filaminana ny tanora Gen Z.

Nandiso ny vaovao niely ny mponina ao Aka­masoa. Nametraka fitoriana eny anivon’ ny sampandraharaha misahana ny heloka an-tserasera na « Cybercriminalité » izy ireo manoloana ny tsaho iniana ahely fa nanafina ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny Akamasoa. Miantso ny handraisana fepetra momba izany izy ireo.

Nodisoin’ny masoivoho frantsay ny vaovao miparitaka eny amin’ny tambajotra milaza fa misy idiran’i Frantsa ny fikasana hanakorontana eto Mada­gasikara. « Vaovao tsy marina izany. Mikendry ny ha­nimba ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta ireo minia manely izany vaovao izany », hoy izy ireo.

Mbola maro ireo fanamby lehibe andrasana, indrindra ny fametrahana ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ny fanenjehana an-dRajoelina sy ny forongony, araka ny nambaran-dRaveloson Constant. « Efa hita ny ezaka tao anatin’ny enim-bolana taorian’ny nandraisan’ny Filohan’ny fanavaozana ny fitantanana ny firenena », hoy izy.

Partager sur: