“Hatramin’izao dia tsy mbola nisy fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika manamarina na mandiso an’ireo vaovao ireo”. Io ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Rahajason Harry Laurent, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fielezan’ny vaovao hoe teratany vahiny mikotrika tetika fanakorontanana eto Madagasikara. Vokatry ny fanadihadian’ny mpanao gazety matihanina ny vaovao. Na mitana andraikitra amin’ny maha mpanolotsaina ny filohan’ny Fanavaozana azy aza izay namoaka ny vaovao, amin’ny maha mpanao gazety matihanina azy no namoahany izany. Misitraka fahaleovan-tena feno izy ary malalaka amin’ny fanaovany ny asany, tsy mifangaro amin’ny andraikitra ara-panjakana sahaniny.
Noho izany, na tsy loharano nipoiran’ny vaovao niparitaka aza ny fiadidiana ny Fanavaozana, sarotiny hatrany amin’ny fiarovam-pirenena sy ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Hisy ny fanadihadiana lalina sy tsy mitanila momba ny raharaha hahafantarana ny marina. Efa misy ny fanadihadian’ny mpanao famotorana momba ireo Malagasy sy teratany vahiny ahiahiana ho voarohirohy amin’ny raharaha. Anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana mahefa no hanatanterahana izany, hahafantarana ny marina.
Manamafy ny fitokisany amin’ireo andrimpanjakana ao amin’ny Repoblika sy ny fahazoany miantoka ny filaminana ny fiadidiana ny Fanavaozana. Eo koa ny rariny sy ny fahamarinana, ary mitandro hatrany ny faraisam-pirenena sy ny fifandraisana diplaomatika, ny fiaraha-miasa ary ny fitoniana eo amin’ny sehetra isam-paritra sy iraisam-pirenena.
R. Nd.




