Ho fanamafisana ny niomerika : Solosaina 100 ho an’ny Oniversiten’i Toliara

Tsy afa-misaraka ny fikarohana sy ny teknolojia niomerika. Manohana ny fahombiazan’ny mpianatra ny fanjakana, amin’ny alalan’ny fampitaovana ny Oniversite.

Nisitraka fampitaovana avy amin’ny minisiteran’ ny Haitao ara-kajy mi­rindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny Oniversiten’i   Maninday-Toliara, nandritra ny fandalovan’ny minisitra Andriamam­piadana Mahefa tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hampirobo­robo ny teknolojia sy hampihena ny elanelana niomerika amin’ny faritra. Solosaina miisa 100 no nomena ny anjerimanontolo. Natao maimaimpoana ihany koa ny Wi-Fi, izay nanaovana andrana niarahana tamin’ireo mpianatra. Ankilany, nisy ny fanofanana maimaimpoana, misokatra ho an’ny rehetra momba ny fampiasana ny faharanitan-tsaina “Intelligence artificielle” sy ny Master Class momba ny fandraharahana. Hetsika hanohanana ny tanora mpianatra amin’ny fikarohana sy ny fianarana rantoviny izany.

Tetikasa
Notokanana nandritra io fotoana io ihany koa ireo fotodrafitrasa vaovao eny anivon’ ny Oniversite. ahitana ny trano famakiam-boky ho an’ny mpianatra sy ny biraon’ireo tomponandraikitry sampam-pianarana samihafa izany. Vita ny tambohon’ny sekoly sy ny biraon’ny ENS ao Manin­day. Ankilany, nahazo solosaina miisa 10 ny biraon’ny ENS taorian’ny fangatahan’ny tomponandraikitra sy ny mpia­natra. Ankoatra izay, nisy ny famelabelaran-kevitra tao amin’ny Amphithéâtre Fiakata Jean Ferlin. Fotoana nanomezana mariboninahitra ireo mpampianatra eo anivon’ny Oniversite. Tsiahivina fa anisan’ny nisitraka fampitaovana niomerika vao tsy ela ihany koa ny Oniversiten’i Barika­dimy, Toamasina. Tanjona ny hanohanana ny fampianarana sy ny fikarohana ary ny hanamafisana ny fahaizan’ny mpianatra. Tetikasa niarahana ta­min’ny sehatra tsy miankina, hampiroboroboana ny teknolojia niomerika, izay tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny mponina ankehitriny izany.

Henintsoa

Partager sur: