Nitsidika tao Mahaboboka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, ny filohan’ny Fanavaozana. Nambarany, tamin’izany, fa tsy manao fampanantenana ny fitondrana fa miasa amin’ny fanampiana ny mponina any an-toerana.
“Manan-karena ianareo eto, saingy tsy voakarakara”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nitsidika tao Mahaboboka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, afakomaly. Ny amin’ny fisian’ny harena an-kibon’ny tany any an-toerana, azo avadika ho herinaratra izany. Izay no nahatongavany tany an-toerana, hijery sy hanetsika izay azo atao. Mba hanampy ny mponina any an-toerana izany, hanampy ny manodidina, hanampy an’i Toliara, hanampy an’i Madagasikara. Tsy manome toky hoe rahoviana no hanomboka izay fitrandrahana izay, fa mitady izay hevitra hampahalaky izay handehanan’izany ny fitondram-panjakana mba hahazoana jiro, araka ny nambarany. Izay hahazoan’i Sakaraha sy Toliara ary Andranovory jiro… Ho hita eo izay hanaovana azy. “Tsy manao fampanantenana izahay fa miasa. Izay no azo tenenina”, hoy izy.
Ankoatra izay, miroso amin’ny fanamboaran-dalana, RN 7, ny fitondram-panjakana. Efa misy fitaovana tonga sy mipetraka any an-toerana amin’izao fotoana izao, ary efa any ny orinasa hanao izany. Tsy ho ela ny fanombohan’izay fanamboaran-dalana izay. Noho ny tsy fahampian’ny vola, tsy ho vita Andranovory hatrany Toliara. Ny ao Sakaraha hatrany Vonenta aloha no hatao. Ho hita eo ny vola hanaovana ny tohiny… Nisy ny fanomezan’ny filohan’ny Fanavaozana ny nofon-kena mitam-pihavanana 10 tapitrisa Ar ho an’ny mponina any an-toerana.
Nisy ny fitokanana ny “Base opérationnelle avancée” (BOA) ao Ankazoabo, amina velaran-tany 4 500 m2, iadiana amin’ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Teo koa ny fitokanana ny fotodrafitrasa famatsian-drano madio fisotro ho an’ny mponina 10 000 ao Ankilimasy, Ankazoabo, ao anatin’ny tetikasa Mionjo, iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena
R. Nd.




