Fitakiana famatsian-jiro sy rano no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Aiza ho aiza? Misy hatrany ny mampiaka-peo etsy sy eroa ny amin’izany. Misy aza tonga amin’ny fitakiana fandravana andrimpanjakana: Antenimierampirenena, Ccni, HCC. Ho tonga hatraiza? Misy milaza fa mpanao politika no hoe ao ambadika, mampiasa vola… Na izany aza, ambaran’ny eo anivon’ny fitondram-panjakana fa mihaino ny fitarainana izy ireo. Lasa politika ny raharaha? Amin’izany, mila atao izay lazaina ary lazaina izay atao. Izay no hisian’ny fifankahazoan-dresaka sy fifampitokisana. Mba tsy hisian’ny mpanararaotra, ao ny efa miandry kendry tohina fotsiny… Tsy maty voalavo an-kibo? Na te hamaly faty, tsy kely lalana fa ratsy…
Na ahoana na ahona, saro-pady ny toe-draharaha lalovan’ny firenena ankehitriny. Eo am-piadiana fototra ka manala saritaka? Na manadio tokotany alohan’ny fanorenana vaovao… Ilaina ny fififampitokisana, fifampidinihana amin’izay atao… Zava-tsy inona, mety mampisaraka an-toerana na hampiady. Mba izay hampiombona no tokony hampitomboina sy hifampizarana, fa tsy izay mety hampisaraka sy hampiady. Tsy inona fa ny izay hahasoa sy hampandroso ny firenena, izay mety ho an’ny vahoaka sy ny taranaka any aoriana. Mihevitra izany ve ireo mpanao politika tsy manao afa-tsy izay hahazoana fahefam-panjakana ho amin’ny tombontsoany manokana? Mampidi-kizo ny firenena sy ny vahoaka amin’ny fitakiana atao…
Anjaran’ny vahoaka ny mandini-tena lalina ny amin’izany. Indrindra ny tanora… Tsy ho fitaovana politika. Saro-pady ny toe-draharaha lalovan’ny firenena amin’izao. Mila mijery lavitra fa tsy ny anio ihany, mahatsinjo ny hafa fa tsy ny tena avao…
R. Nd.




