Nafana tamin’ireo hetsika maro samihafa i Toliara nandritra ny « Tsapiky Festival». Raha ny zavakanto sy ny kolontsaina no azo lazaina ho fototra, tsy latsa-danja tamin’izany ihany koa ny lafiny hafa.
Tsy fankalazana gadona manokana fotsiny fa fanandratana ny endri-kolontsaina rehetra ny « Tsapiky Festival». Iray anatin’izany ny fikoloana ny firaisankina amin’ny asa soa iombonana arahina fanentanana ny mpiara-belona, nandritra ny hetsika. Araka izany, nisy ny fiaraha-mientana niendrika « tagnamaro », nanadiovana ny morondriaka na ny « Jardin de la mer », niarahan’ireo fikambanana mpirotsaka an-tsitrapo maro, fikambanana isan-karazany, kaominina sy fokontany manodidina, sns. Nitarika izany ny fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny firotsahana an-tsitrapo sy ny fampahavitrihana ny fiarahamonina (DPVAC) eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, niaraka tamin’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ireo minisitra ary ny mpiara-dia amin’izy ireo tonga tao Toliara.
Narahana fanabeazana hanaja ny fananana iombonana sy asa an-tsitrapo, nampitana hafatra « rehefa tsy mandoto dia naman’ny manadio », ny fotoana. Nisy ny fampianarana sy ny fanentanana ny amin’ny tokony hanariana ny fako, indrindra ny fako plastika, amin’ny toerana natokana ho amin’izany, hitandroana ny fahadiovana sy ny tontolo iainana.
Nialoha io, efa nisy koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpirotsaka an-tsitrapo miisa 36, teny Ankilifaly. Nifototra tamin’ny teknikan’ny fanentanana ifotony izay nohatsaraina izany, raha ny fanazavan’i Tahiana Mampionona Rakotondrabe, Tale misahana ny Fampiroboroboana ny firotsahana an-tsitrapo sy fampahavitrihana ny fiarahamonina.
Zo ny Aina




