Hanatanteraka fihaonambe nasionaly, ny 24 avrily ho avy izao, ao amin’ny CCI Ivato ny antokon-draharahan’ny Administratera sivily.
Fantatra izany nandritra ny fihaonambem-paritra Atsinanana nataon’ny antokon-draharahan’ny Administratera sivily ato anatin’ny faritra Atsinanana, ny 31 marsa lasa teo, tetsy amin’ny trano fandraisam-bahiny Marina Beach – Salazamay, notarihan’ ny filoha nasionaliny, Rakotondramanana Solofotahina. Nanotrona azy ny lehiben’ny faritra Atsinanana sy ny prefet, izay samy Administratera sivily avokoa. Fanapahan-kevitra isam-paritra hoentina hifanakalozana mandritra ny dinika nasionaly eo anivon’ny sehatra Adiministratera sivily no natao. Hatolotra eo anivon’ny fikaonandoham-pirenena izay karakarain’ny fitondrana Fanavaozana izay hevitra tapaka. « Raha eo anivon’ny antokon’asan’ny Administratera sivily, hanana tolo-kevitra maro izahay toy ny fanaovana andinin-dalàna maromaro momba ny fanatanterahana ny asanay », hoy hatrany ny filohan’ny Synad, Rakotondramanana Solofotahina. Nohamafisin’ity farany fa ny Administratera sivily no miantoka amin’ny ampahany betsaka ny fanjakana tsara tantana. Eo ny fandriampahalemana, ny fampandrosoana isam-paritra. Hamaritra ihany koa ny antokon-draharahan’ny Administratera sivily ny fitantanan-draharaham-panjakana Fanavaozana. Zotram-pifidianana hoeken’ny rehetra. «Ny fikaonandoham-pirenena tsy misy Administratera sivily dia banga ary ny fitantanan-draharaham-panjakana tsy misy anay dia mandringa», hoy hatrany Rakotonandrasana Solofotahina.
Sajo




