Hanatanteraka fikaonandoham-pirenena ihany koa ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Tanjona ny ahalalan’ny vahoaka ny andraikitra sy ny fikarakarana eto Madagasikara.
“Ny andraikitra sahanin’ny Ceni amin’izao, eo ny fampandehananany raharaha andavanandro amin’ny maha rafi-panjakana araka ny lalàmpanorenana azy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Rakotonarivo Thierry, tamin’ny mpanao gazety teny Alarobia, omaly, ny amin’ny asa sahanin-dry zareo amin’izao ankatoky ny fikaonandoham-pirenena izao. Manaraka izay, ny zava-dehibe: manomana fikaonandoham-pirenena momba ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Amin’ny tapaky ny volana mey no hanatanterahina izay. Mitovy amin’izay nataon’ny sehatra hafa izany. Toy ny teo amin’ny sehatry ny fandrimpahalemana, ny toekarena, ny tanora… Efa samy nahavita ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Manomana ny azy ny Ceni amin’izao.
Heverina fa tsara ny mahalala ny zava-misy marina amin’ny fikarakarana fifidianana eto Madagasikara ny mpandray anjara rehetra amin’izay fikaonandoham-pirenena izay. Hampandraisana anjara avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny tontolon’ny fifidianana.
Hampahafantatra ny zava-misy momba ny fikarakarana fifidianana ny Ceni amin’izany. Mba tsy hisian’ny fanomezan-tsiny sy ny ahiahy hatrany… Tanjona ny fanatsarana ny zotram-pifidianana mahabe resaka eto Madagasikara hatramin’izay. Hisy ny volavolan-dalàna mifehy ny fididianana avy amin’izay fikaonandoha karakarain’ny Ceni izay haroso amin’ny fikaonandoham-pirenena. Manohy ny asany hatrany ny Ceni mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra momba azy. Tsy tokony ho olom-bitsy no hanapa-kevitra ny amin’ny handrava andrimpanjakana toy ny Ceni, araka ny nambarany.
R. Nd.




