Eny amin’ny CCI Ivato, ny 26 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fampisehoana an-tsehatra nampitondraina ny lohateny « MJ The legend show » hamerenana sy iainana indray ireo mampiavaka an’i Michael Jackson na ilay « mpanjakan’ny « pop » », Ao anatin’ny adiny 3. Hanana endrikaa sy fizarana 3 lehibe. Ny fizarana voalohany, hiaka-tsehatra ry Rolf Raza, Jimmy Harison, Erica Durock. Tapany faharoa, hiarahana amin’i Mandresy Jboys, ary ny fiarahan’ireo mpanakanto hanafana ny « MJ The legend show ».
Hira, dihy, jiro sy hazavana manentana sy maro loko (effets spéciaux)… Ho hita eny an-tsehatra avokoa ireo. Hihoatra ny 20 ny isan’ireo sanganasan’i Michael Jackson holalaovina mandritra ity seho « MJ The legend show » ity. Misongadina amin’ireny ireo nampalaza ity Mpanjakan’ny « pop » ity tany amin’ny taona 1980 sy taona 1990. Hamelona izany ireo mpandihy miisa 10, mpitendry zavamaneno mahatratra 6, mpanao feo lafika 8 ary mpanakanto manana traikefa matanjaka amin’ny kanto ataony miisa 3.
Fantatra fa hisy fifaninanana hitiliana izay manao akanjo mitovy na mifanakaiky indrindra amin’ny akanjo fanaovan’i Michael Jackson.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




