Razanamahasoa Christine: « Tsy azo ekena ny fambolena korontana »

Nivoaka amin’ny fanginany ny filohan’ny Ante­ni­mierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine. Hentitra ny fanehoan-keviny. «Manameloka amin’ny fomba rehetra ny tetika sy fikasana hamboly korontana eto amin’ny tany sy ny firenena izahay. Eo koa ny fikasana hamono ny filohan’ny Fanavaozana mivady ary ny fampahantrana ny firenena », hoy izy, omaly tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Nambaran’ity minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha ity fa tsy azo hodian-tsy hita ny ezaka sy ny zava-bita na­taon’ny fitondrana. Notani­sainy ho anisan’izany ny amin’ny fametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary ny asa fampandrosoana amin’ny ankapobeny. « Tena tsapa tokoa fa misy ny tsy tonga lafatra ka tsy tokony hifanomezan-tsiny izany. Eo ihany koa anefa no manararaotra ireo fahavalom-pirenena mamboly korontana eto amin’ny firenena ka tsy azo ekena izany », hoy ihany izy. Notsiahiviny ny tokony hitandrovana hatrany ny fahafahana miteny sy maneho hevitra, ary ny fahafahana maneho hevitra politika, arovan’ny lalàna, ao anatin’ny fanajana ny tany tan-dalàna, araka ny nambarany. Maniry ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, ny tenany.
Tsiahivina fa minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, amin’izao fitondrana Fana­vaozana izao, Razanama­hasoa Christine, fony governemanta, Rajaoarivelo Herintsalama. Niely be ny feo taorian’izany fa hapetraka ho filohan’ny HCC ny tenany, saingy nitsipaka izany vaovao izany ny tenany.

Synèse R. 

Partager sur: