FANTINA sy FINTINA

Miantso ireo fikambanana Gen Z mijoro ara-dalàna ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, hiaraka hivory eny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo amin’ny zoma 24 avrily 2026 ho avy izao. Tafiditra amin’ny ho fanohizana ny dingana efa natao izany, araka ny fampiantsoana eo anivon’ny Primatiora. Efa nisy fihaonana rahateo ny roa tonta.
Naneho hevitra ny mpanao gazety, Miary Rasolofoarijaona. Nambarany fa ilaina ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana ao anaty fifanaja. « Ahafa­hantsika manangana firenena vanona sy mandroso », hoy izy. Tsiahivina fa maromaro ireo efa nanao antso amin’ny tokony hifampiresahana. Anisan’izany ny antoko MMM.
Tsy nahazo alalana hivory ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny kaominina Antsirabe. Nambaran’izy ireo fa heverin’ny ben’ny Tanàna ho fitakiana ny karama tsy voaloa, 13 volana izany. « Tanjon’ny fivorianay ny fanomanana ny fetin’ny 1 mey sy ny hampiroboroboana ny fikambanan’ny sendikan’ny mpiasa », hoy izy ireo, afakomaly.
Maro ireo tsy mbola niova ka tokony ho mailo ny mpitondra, araka ny nambaran’ny « Cercle de réflexion des élites-Matsiatra », ny herinandro teo. Nohitsin’izy ireo fa tombontsoa no hinamanana ao anatin’ny politika. « Mitady ho hita taratra izany amin’ireo manodidina ny filohan’ny Fanavaozana. Mila mailo ny mpitondra», hoy izy ireo.

Partager sur: