Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, omaly, teny Tsimbazaza. Nambarany tamin’izany fa misy ifandraisany ny ”Raharaha Kly Rakotomamonjy Patrick sy ny Gen Z.
“Tiana ny manazava ny saim-bahoaka fa ireo tanora voatazona dia voarohirohy amina raharaha voalaza teo aloha”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny mpanao gazety, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny “Raharaha Gen Z” sy ny “Raharaha kolonely Rakotomamonjy Patrick”, izay misy ifandraisany. Eo ny fikononkononana fanonganam-panjakana. Eo koa ny fanohintohinana Fanjakana. Tsapa tamin’ny fanadihadiana ny fifandraisan’ireo tanora Gen Z voatana tamin’ny kolonely R. Patrick. Hita ny resaka nifanaon’izy ireo tamin’ny fitaovan-tserasera. Misy ny tahirin-kevitra nanoman-dry zareo ny fihetsiketsehana sy ny fanonganam-panjakana. Anaovana an’izay fifandraisana izay no itazonana an’ireo tanora Gen Z. Na izany aza, voahodinkodin-tsaina amin’ny mpanao politika hatrany ny tanora malagasy. Lasa tsy faharesen-dahatra no mahazo an-dry zareo, fa lasa fikaramana an’ady. Aoka tsy hanaiky hatao fitaovana politika.
“Hitantsika tsara fa teny amin’ny haino aman-jery dia nilaza mazava ny kolonely R. Patrick fa hanongam-panjakana, nilaza fa manana basy ary afa-mamono sy mandrahona amin’ny basy mbola eny an-tanany. Heloka eo anatrehan’ny lalàna izany rehetra izany”, hoy izy ny amin’ny “Raharaha kolonely Rakotomamonjy Patrick”. Misy ifandraisany amin’ny tale jeneralin’ny Fonds souverain malagasy (FSM) koa ny raharaha. Nilaza koa izy fa mitsoaka sy miafina manerana an’i Madagasikara. Nisy ny fanolorana azy amin’ ny fitsarana. Hita fa misy fikambanana nikononkonina fanonganam-panjakana izay notarihiny, voalaza tao anatin’ ny fanadihadiana. Misy ny didy fampisamborana manenjika azy. Izay no nahazoana nametraka azy avy hatrany any Tsiafahy. Rehefa tanterahina ny didy fampisamborana dia alefa any am-ponja ilay olona.
R. Nd.




