Faha-100 taonan’i Clarisse Ratsifandrihamanana. Hisy ny antsa tononkalo, izay hatao anio amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Ireo aingam-panahin’ity mpanoratra ity, izay tsy mbola nivoaka, tsy mbola fandre no antsain’ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem mandritra izany.
Nodimandry i Nicolas Star, mpanakanto zanak’i Fenoarivo Atsinanana, araka ny nampitain’ireo namany. Narary efa fotoana ela izy, ary nanao antso avo tamina horonantsary, tamin’ny fitsaboana. Tsy nahatohitra ny aretina anefa ity mpanakanto ity, ka izao niafara tamin’ny fahalasanany izao. Tany amin’ny faritra avaratra sy andrefana ary atsinanana iny no tena nahafantarana an’i Nicolas.




