Varoboba sy mangarahara

 

Nahoraka sy nampametra-panontanina ny fahitana ny fiaraminidina manokana maromaro tany Toliara. Tena hoe niaka-danja ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Nampito­lagaga ny hatsarany sy ny haavo lentan’ireto fitaovam-pitaterana. Mainka mampiteny ny moana ihany koa ny firodorodon’ny mpikambana tao amin’ny governemanta nakany an-toerana. Efa nampiaka-peo ny firaisamonim-pirenena amin’ny filibalibana.
Noho ny tsy fisian’ny mangaraharaha dia noheverina fa volam-bahoaka no nolaniana tamin’izany. Kay zavatra hafa mihitsy ny tena marina. Fiaramanidina hitsirika ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, hono, izy ireto. Voalaza fa ho fitsirihana manaraka ny fenitra mba hahalalana ny tahirin-karena misy eto an-toerana. Raha nahavelom-bolo ny fisiany, toa mampihorin-koditra indray ny zavatra fonosiny.
Tsy misy fanampim-panazavana mahakasika ny tena ao ambadiky ny fifanarahana. Ny hany fantatra dia orinasa iray mpitrandraka harena an-kibon’ny tany malaza be no tompony. Asa hanao inona eto amin’ny tanàna aloha, fa dia hoe hitsirika fotsiny hono! Samy miandry ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Mangataka fanampim-baovao misimisy kokoa fa tsy mihanona amin’ny fiparitahan’ny vaovao eny amin’ny tambajotran-tserasera.
Andaniny, tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fahavitrihan’ny mpampiasa vola miditra eto an-toerana. Ankilany anefa, mila fahamailona hatrany satria sao lasa gaboraraka. Tsy tokony ho tantely afa-drakotra, na izany aza ny harem-pirenena. Mitaky fiaraha-mientan’ny Malagasy tsivakivolo ny zava-drehetra. Tsy mijanona amin’ny fanambarana ofisialy fotsiny. Efa iaraha-mahalala rahateo ny resaka “mafia” sy “maloto”, etsy sy eroa.
Tany tan-dalàna sy masina i Madagasikara ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny famoahana ny vaovao tena izy sy ara-potoana. Tsy tokony hisy olona hihinana am-bolony izany eto an-tanàna.

r.r

Partager sur: