Asa tanana sy kolontsaina: 40 taona nanamboarana zavamaneno i Hery Valiha

Teo amin’ny fahafolo taonany, fony teny am-piandrasan’omby, no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy kabosy vita amin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehi­triny, 40 taona nanamboarana izany izy. Mampiavaka ny valiha arafiny ny fisian’ny asa fikarohana mitohy hita sy heno ao aminy (valiha). Na­tambany, ohatra, ny kesika sy ny voamboana ho tonga to­hambaliha, mamoaka feo mafy sady kanto. Anisan’ny voka-pikarohana hitany ihany koa ny “jejy valiha” na ilay valiha manambatra ny voatavomonta sy ny marovany. Ken­drena hiova manaraka ny va­nim-potoana sy ho mora kojakojaina ireo zavamaneno arafiny, raha ny fanazavany. Ma­ri­hina fa manamboatra kabosy, lokanga, sodina, aponga tapaka, sns, sady mpitendry ireo zavamaneno ireo rahateo ity mpanakanto avy any Ala­kamisy Manarintsoa (Andra­masina) ity.
Mipariaka saika maneran-tany, ankehitriny, ireo zavamaneno vitany. Mpanakanto maro eto an-toerana no mampiasa ny asa tanany.
Tsy mijanona eo amin’ny fikarohana sy fanamboarana ary fitendrena zavamaneno i Hery Valiha fa mampianatra ihany koa. Ampianariny mitendry ireo zavamaneno mahazatra tahaka ny valiha, lokanga, sns. Ampianariny koa ny mi­tendry ireo zavamaneno noforoniny. Tsy mihanona amin’ireo izy fa mirotsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Iray amin’ireny ny fambolena volobe, satria, ny fahatsaran’ny tontolo iainana no miantoka ny akora fototra amin’ny fanamboarana zavamaneno.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: