Babai Lugu sy Alala Katsakatsa : Hizara « Nofy adala » etsy Antsahamanitra

Mozika mikoriana avy any anaty, manatona ny fototra aty an-tanindrazana. Nofy hotanterahina miaraka amin’i Bolo sy ireo mpankafy an’i Babai Lugu sy ny tariny.

«Faly be foana mandalo an-tanindrazana». Naverimberin’i Babai Lugu io, omaly, nandritra ny fi­haonany tamin’ny mpanao ga­zety tetsy amin’ny Yas Anala­kely. Efa andro ma­romaro no eto ity mpanakanto ity, miaraka amin’ny tariny. Mazava loatra fa hisy ny fampisehoana izay efa nandrasany ela. «Nofy adala», tiany ho zaraina amin’ireo mpiray ta­nindrazana, ny alahady 26 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora, ao Antsa­ha­manitra.
«Zava-dehibe loatra amiko ny mitazona ny fifandraisana amin’i Madagasikara, na dia monina any ivelany aza. Ny teny malagasy, ny mozika malagasy, sns», hoy i Babai Lugu.
Taona maromaro lasa izay, efa nisehatra tetsy amin’ny CCEsca ny tarika Alala. Io no nahafantarana azy ireo voalohany, nahitana an’i Babai Lugu, Alice, Laury, nampian’ireo mpitendry teto an-toerana. «Nitom­bo ny mpikambana taty aoriana. Nisy endrika sy toetra vaovao. Ny katsakatsa no maharakotra izay toetra mampihetsika kokoa izay, mampitsambikimbikina amin’ny maha zavamaneno mikorintsana azy. Nalaina avy amin’io ny Alala Katsa­ka­tsa», hoy ihany ny fanazavana.
Te hanomebe, satria miboiboika avy ao anaty ny aingam-panahy ho an’i Babai Lugu sy Alala Katsakatsa. Halahatra ireo hira anatin’ny rakikira efa nivoaka sy ireo vaovao maro. Mety ny ankamaroany no mbola tsy henon’ny mpankafy, saingy izay indrindra no nahasarika ireo tia mozika vaovao hanongilan-tsofina amin’ny hiran’i Babai Lugu tany am-piandohana.
Ho vahinin’ny tarika, hanao ny tapany voalohany, i Bolo. Mpanakanto mitovy fironana, mifanaja ary efa tafaraka nizara kanto izy ireo. «Nofinofy niraisana ity hotanterahina ity, ka voninahitra lehibe ho anay. Ho atambatra ao ny rakikira roa, Ravitoto sy Jeren-ty, fa tsy hoe fandraisana anjara fotsiny», hoy ny filazan’i Bolo azy.

ZonyAina

Partager sur: