Fitantanana eny ifotony: Efa mitily ireo mety ho sefo fokontany ny distrika

Efa manomboka mijery ireo olona hofidina ho sefo fokontany ireo Préfet sy lehiben’ny distrika amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, afakomaly, tetsy Anosy.

Nambarany fa hirosoana tsy ho ela ny fanendrena ireo ho mpitantana eny anivon’ny fokontany. Nomena fahefana manokana ho amin’ny fanendrena azy ireo ny sefo distrika sy ny Préfet. Efa mandeha rahateo ny tombantombana fa hotanterahina amin’ny volana mey ho avy izao izany. Tsy hijanona ho ny sefo fokontany ihany anefa ireo ho mpitantana eny ifotony. «Hisy komity mpiara-miasa hanampy ny sefo fokontany amin’izany», hoy ny loharanom-baovao. Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny momba ny firafitra sy ny andraikitry ny lehiben’ny fo­kontany ary koa ireo ho mpiara-miasa aminy sy ny ho fifandraisan’izy ireo amin’ny ben’ny Tanàna.
Na izany aza, natsidiky ny minisitra fa miandry ny fikaonandoham-pirenena ny hoavin’ny fokontany amin’ny hitazonana izany na tsia na koa ny ho firafiny. Na hijanona amin’
izao endriny izao. «Mbola misy dingana sy fanovana lalàna vao tonga amin’ny fifidianana filoham-pokontany isika. Mbola tsy olom-boafidy no mitantana azy ka hotendrena vonjimaika amin’ny alalan’ny sefo distrika na ny Prefet izany», hoy izy.
Etsy andaniny, nambaran’ny minisitry ny Atitany fa miroso amin’ny fanendrena delegasionina manokana (PDS) ny fitondram-panjakana, miain­ga amin’ny fahitana fahabangan-toerana, araka ny didim-pitsarana. «Jerena avokoa ny fepetra amin’ny fahafahana manendry ireo PDS. Miankina amin’ny hafainganam-pandehan’ny fitsarana ny fanendrena azy ireny eny anivon’ny kaominina», hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: