MFM : “Tokony haroso ny fikaonandoham-pirenena”

“Maniry aho ny handrosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Heverina fa tokony hanomboka amin’ny faramparan’ny volana mey izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpiara-mitantana eo ani­von’ny antoko MFM, Randria­nirina Jean-Ignace, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Efa ela ny MFM no niteny hoe: maninona no atao mitarazoka toy izao ny fikaonandoham-pirenena? Misy olana ve, ohatra, ny enti-manana? Mahita ny antoko fa mety mahafaly ny fiombonambe iraisam-pirenena ny fandrosoan’ny fikaonandoham-pirenena. Ny fitarazohany no anisan’ny mahatonga ny fitakian’ireo tanora Gen Z ny handravana andrimpanjakana. Nefa sarotra ho an’ny fitondram-panjakana ny hametraka avy hatrany hoe ravana ny rafitra isan’ambaratonga.
Raha ny fantatra, nesorina eny anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ny komity mpitarika ny fanomanana sy fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Nalefa any amin’ny governemanta izany. Mila fifanatonana sy fifampiresahana ny fanomanana azy. “Raha tao anatin’
izay efa-bolona izay, malalaka ny fanehoan-kevitra”, hoy izy. Ny zava-misy ankehitriny, misy ny fisamborana momba ny hoe fanonganam-panjakana. Heverina fa azo atao ny fanehoan-kevitra tsotra fotsiny. Diso ny hoe tsy azo atao ny fanehoan-kevitra, fa lasa misavorovoro be. Misy tsy nangata-dalana amin’ny fanehoan-kevitra, fa neken’ny fitondram-panjakana. Misy antony lalina be ve matoa tsy mbola navoaka ireo tanora Gen Z voatana?

R. Nd.

Partager sur: