Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety : Haharitra herinandro ny fankalazana

« Manorina hoavy ao anaty fandriampahalemana ». Io ny lohahevitra nosafidiana, hanompanana ny fankalazana ny Herinandro ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety amin’ity taona ity. Raha toa ka ny andron’ny 3 mey no voatondro hanamarihina izay, hatao ny alatsinainy 27 avrily kosa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, etsy amin’ny Havoria Anosy. Hiavaka noho ny fankalazana mahazatra ny tanjona, raha ny fanazavana nentin’ny komity mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy.
« Tokony hiasa ho an’ny fametrahana ny fandriampahalemana ny asa fanaovan-gazety, ka izay no anton’ny lohahevitra nosafidiana. Fo­toana koa io hanehoana ny fiombonan’ny mpanao gazety, ary mila mifankafantatra ny rehetra. Ankoatra izay, maro ireo fandaharam-potoana man­dritra io herinandro io, natao hanatsarana avokoa ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety », hoy ny fanazavana nomen’i Raoto Andriama­nambe, mpanao gazety anatin’ny komity mpikarakara ny fankalazana.
« Andron’ny mpanao gazety ny 3 mey. Manampy sy manome tantsoroka ary fanamorana ny lafiny ara-panjakana ihany no hataon’ny minisitera. Anatin’ny ezaka hatao ny fametrahana tontolo mendrika hahafahan’ilay asa miroborobo”, hoy kosa ny nambaran’i Miary Rasolofoarijaona, se­kre­tera jeneralin’ny minisite­ran’­ny Serasera sy ny kolontsaina.
Hisy ny velakevitra arahina adihevitra amina lohahevitra maromaro, manodidina ny asa fanavaon-gazety hatrany. Eo koa ny “masterclass” ho an’ireo mpianatra serasera eny amin’ny Oniversite sy ireo mpianatra eny amin’ny ambatonga faharoa. Ankoatra ireo ny fifaninanana ho an’ireo mpanao gazety matihanina sy ireo mpianatra ho mpanao gazety. Ny andron’ny 3 mey, izay ivon’ny fankalazana kosa, no hanomezana mariboninahi-pirenena ireo mpanao ga­zety nahafeno ny fepetra, izay arahina fanehoana firaisankina.

Zo ny Aina

Partager sur: