Notanterahina omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Niompana tamin’ny fampahafantarana ny fandaharanasan’ny Fanavaozana izany.
Anisan’ny nivoitra tamin’ ny fihaonana ny fampahalalana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka ara-bola sy teknika (PTF) ny antsipirian’ireo tetiandro, ny paikady hanatatanterahana izany ary ny vina efa voarakitra ao anatin’ny programanasan’ny Fanavaozana. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny fitondram-panjakana ny fakan-kevitra isan’ambaratonga.
« Miainga avy anivon’ny fokontany izany. Mandalo eny amin’ny kaominina sy ny distrika. Avy eo mitohy any amin’ny faritra ary ny nasionaly amin’ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena », hoy ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nohamafisiny fa haroso amin’ny volana mey raha tokony ho ny volana jolay ny fikaonandoham-pirenena. Hivoaka tsy ho ela ny daty momba izany, araka ny nambarany.
Nanamafy kosa ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, fa hametraka fanavaozana lalina isika. Hanangana Repoblika vaovao ary ny tanora no ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana, araka ny nambarany. “Anisan’ny vina ny fametrahana Repoblika vaovao miorina amin’ny fanjakana tan-dalàna sy ny fanatanterahana fifidianana madio.
Misy ny tohana
Nanao antso avo ho amin’ ny fanentanana ny mpiara-miombon’antoka hanohana io programasan’ny Fanavaozana io ireo solontenan’ny fitondram-panjakana.
Niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana ny fihaonana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny minisitera misahana ny Fanavaozana, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahanantena ary ny Rafitry ny Firenena mikambana.
Anisan’ny niatrika izany ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta sy ireo rantsamangaikan’ny fanjakana.
Synèse R.




