FANTINA sy FINTINA

Tsy hisy fijerena loko politika ny fanendrena ireo sefo fokontany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonan­dra­sana Velonjara Tiaray. “Tena hifantoka manokana amin’ ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo ny ho fanen­drena », hoy izy. Nanteriny fa miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny ho sata sy hoavin’ny rafitry ny fokontany.
Sambany naneho ny heviny indray momba ny resaka politika, Rasolofondraosolo Zafimahaleo na i Dama, tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly. Nambaran’ity mpandinika fiarahamonina ity fa tena notazonina tao anatin’ny tsy fahalalana tanteraka ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy.
Hitarika olana vaovao eto amin’ny firenena raha handrava ny Antenimierampirenena isika, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote Rakotoniaina Pety. Nohitsiny fa mety hitarika hatramin’ny fiaton’ireo tetikasa hiarahana amin’ny mpamatsy vola avy any ivelany izany. « Tsy tokony hampidirina krizy intsony ny firenena raha tena te hanova isika », hoy izy.
Miisa 16 ireo naiditra vonjimaika am-ponja momba ny « Raharaha fanonganam-panjakana sy fifofoana ny ain’ny filoha mivady ». Miisa 11 ireo nampidirina am-ponja ny 2 avrily teo, ahitana jeneraly miisa roa sy mpanao politika. Niampy dimy izany ny herinandro teo, taorian’ny nahavoasambotra ny Kly Rakoto­ma­monjy Patrick.

Partager sur: