Asa hanao ahoana no hiafaran’ity resaka mandeha etsy sy eroa ity. Mampahatsiahy ny fotoana fohy nialoha ny nirodan’ny fitondran-dRajoelina Andry ilay zava-miseho. Tena miverina avokoa ny raha tsy manjarizary nitakiana fanovana. Zary mampiaka-peo ny olom-pirenena sy ny firaisamonim-pirenena ny zava-misy. Ohatra ny samy mitondra ny lohany avokoa izay afaka manao izany. Mahasanganehana ny mamaky ny ratsy amin’ny tambajotran-tserasera!
Ny tena zava-doza, mivadika ny rasa. Mahazo vahana ny kihonohono. Omen-danja ny lainga sy ny fitapitaka avo lenta. Mahazo laka ny famohazana fota-mandry hoentina mandemy ny saim-bahoaka. Tsy misy miraharaha izay fahasahiran’ny valalabemandry fa ny hifamotehana no manahirana ny sasany. Ny tena mahavalalanina dia ny mahita ireo samy nandrodana mitady hifandrodana. Samy mifamarina any an-kady sy mifamingana an-toerana.
Mila mitandrina sy maka ny fepetra mifanaraka amin’ ny zava-misy ny mpitondra ankehitriny. Tsy fanao intsony ny mijabajabaka, mitoky hery sy tanjaka. Tsy ampy hiarovan-tena ny fisian’ny hery vahiny, na ny manampahaizana avy any ivelany. Anatin’ny fahatoniana sy ny fisainana lalina no ahafahana mametraka mazava ny zotra ivoahana amin’ny disadisa anatiny.
Ny mpitondra rahateo toy ny saka nahazo hena an-tanana, tsy ho moramora ny hanala izany.
Na inona na inona zava-miseho, mitaky fahamatorana avy amin’ny herivelona rehetra ny raharaham-pirenena. Tsy ny toerana no hibaiko ny toetra sy ny fomba amam-panao. Ny olombelona manam-panahy no tokony hifehy ny sezany sy ny toetra mifandraika amin’izany. Zary manome sabatra hivelesana ny tenany ny mpitondra, vantany vao mijabaka any anatin’ny fifandranitana. Mampalahelo ny miaina ny onja miiba ankehitriny.
r.r




